TAPAKEVITRA ANARAKA ANAO AHO (Sol) Hira fanombohana

APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)

TAPAKEVITRA ANARAKA ANAO AHO (Sol) " Hira fanombohana"


Hn! Hn! Hn! Eka lahy e e! Lalalalalalay! Anaraka Anao aho Tompo ô!



  1. Izaho tapa-kevitra e! Tena tapa-kevitra e!
    Fa anara-dia Anao aho Tompo ô!
    Ho afoiko daholo ny amiko manontolo
    Fa anara-dia Anao rô ‘zaho ô!
    Ialako ny tanàna, ery Papa sy Mama
    Fa anara-dia Anao rô ‘zaho ô!
    Hanompo ny Eglizy fa izay no devizy
    Anaraka Anao aho Tompo ô!
    Na ho mafy aza ny hanjo :
    Anaraka Anao ! Anaraka Anao ! Eny, anaraka Anao!
    La la la la la la la lay!
    N’inona n’inona manjo, na dia mafy tokoa
    Eny, anaraka Anao ! Anaraka Anao !


Fa Jesoa tiako ô ! Faniriako ô !
Anaraka Anao rô ‘zaho ô!
Fa Jesoa tiako ô ! Faniriako ô !
Anaraka Anao rô ‘zaho ô!
La la la la la la la lay!
Koa mba tahio ô! Sy mba ampio ô !
Fa Anaraka Anao rô ‘zaho ô!
Ho irakao no asa atao
Anaraka Anao rô ‘zaho ô !



  1. Izaho tapa-kevitra e! Tena tapa-kevitra e!
    Fa anara-dia Anao aho Tompo ô!
    Hitory teny fa tsy hitory tena
    Anaraka Anao aho Tompo ô!
    Izaho efa pare, zaka jiaby efa O.K
    Inty aho, iraho aho Tompo ô !
    Mpanota tsy mendrika, ka aza avela ho rendrika
    Fa anaraka Anao aho Tompo ô!


Fa Jesoa tiako ô ! Faniriako ô !
Anaraka Anao rô ‘zaho ô!
Fa Jesoa tiako ô ! Faniriako ô !
Anaraka Anao rô ‘zaho ô! La la la la la la la lay!


Jesoa Tompo ô ! Inty aho hanompo
Sy Anaraka Anao rô ‘zaho ô !
Na mangidy na ho mamy
Na fifaliana na tomany
Anaraka Anao foana ‘zaho ô !


·