Tapak'elatra

Bouboul (RAMBOATIANA Etienne)

Tapak’elatra


Efa mirefarefa sy tsy ho tana ny hazavana
Vetso ihany sisa no voatanisa fa tsy tamana
Tsaroako indray e! ny any aminay
Ireo vorona mody e misodisody mikopak’eny
Ampombaiko veloma fa tsy hay antsoina ikaky sy neny


Efa mirefarefa sy tsy ho tana ny hazavana
Vetso ihany sisa no voatanisa fa tsy tamana
Tsaroako indray e! ny any aminay


Toa hitako sary eto anoloana
Mijinja vary am-pamoloana
Ny nanovo rano, miloloa siny
Nitantara angano fony fahiny


   Manako moramora toa mankora ny riandrano
Ny nofy e mimaona ny maso foana no manganohano
Singan'irery , tsisy mpijery
Herika mifafifafy injany mihamafy manao patrak'ala
Izany foko ato anaty toa tsy raha hatanty fa lavi-malala

La!la!la!la!al!!!!!


Tsaroako indray e! ny any aminay


·