Taom-baovaon'ny tafasaraka
Fanjandranomasina
Taom-baovaon’ny tafasaraka
Izao maraina izao ny taratasinao
Mirary taombaovao mamy
Lavitra ianao ka ny soratrao
No mba manolotra izany
Fanja, na tsy ho eo imasoko aza irony endrikao
Fanja , ho ataoko fahasambarana ny taratasinao
Ireo ny zanantsika faly misariaka
Miantso ny anaranao
Izaho kosa iky, miezaka mitsiky
Manoroka ny sarinao
Fanja, na tsy ho eo imasoko aza irony endrikao
Fanja , ho ataoko fahasambarana ny taratasinao
Mivavaka izahay ho anao malalanay
F’izao taombaovao izao
Ho to ny faniriana ho sambatra ho zina
Ho tody soa aman-tsara ianao
Fanja, na tsy ho eo imasoko aza irony endrikao
Fanja, ho ataoko fahasambarana ny taratasinao