Taom-baovaon'ny tafasaraka
Fanjandranomasina
Taom-baovaon’ny tafasaraka
Izao maraina izao ny taratasinao mirary taom-baovao mamy
Lavitra ianao ka ny soratrao no manolotra izany
Réf : Fanja, na tsy eo imasoko aza irony endrikao
Fanja, ho ataoko fahasambarana ny taratasinao
Ireo ny zanantsika faly misariaka miantso ny anaranao
Izaho kosa iky, miezaka mitsiky manoroka ny sarinao
Réf …
Mivavaka izahay ho anao malalanay f’izao taom-baovao izao
Ho to ny faniriana ho sambatra ho zina, ho tody soa aman-tsara ianao
Réf … (*2)