Tao anatin'ny tolona

Ny Sakelidalana

Tao anatin’ny tolona


Fa tao anaty haizim-pito
Nandrenesana antsoantso
Feo nikiaka, nikiaka fahafahana e
No injao manakoako
Ren’ny tany, nanako eran-danitra e
Ny kotroky ny basy
Nefa tsy kivy, tsy kivy, tsy kivy tsy niato
Ireo Malagasy mpitolona


Fa tao anaty haizim-pito
Nisy rà nipatrapatraka
Ny fahafahany mantsy nozahany e
Madio mangatsakatsaka
Nefa rà mikoriana namonto itony tany e no setrin’izany
Fa tanam-polo ihany no hany fiadiany
Hahatomombana izay notakiany


Fa indry ery andanitra avo ilay masoandro e
Miparasa-tara-pahafahana ireo lavo
Efa samy ravo ny fanahin’ireo maritiora mifaly
Ny todin’ny rà niombonana mantsy e
Tsy azo takonana intsony


·