TANTERAO NY FANOMPOANA

Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)

TANTERAO NY FANOMPOANA



  1. Ry mpanompo mahatoky
    O mijoroa izao
    Ny talenta nomena anao
    Ampiasao
    Mbola maro ireo adidy
    Izay tsy maintsy atao
    O Avia fa miantso anao
    Ny Tomponao


Réf.
Mijoroa ka aoka hanolotena
Tadidio ireo voady efa nekena
Tanterao ny fanompoanao
Matokia fa Jesoa tsy handao
Tanteraho ny fanompoanao
Matokia fa Jesoa tsy handao




  1. Aza kivy raha tojo
    Ireo ady sarotra
    Tano mafy Ilay finoana
    Nomena anao
    Matokia fa Jéhovah
    Andriamanitrao
    Homba anao ka hanome Ilay
    Fianam-baovao




  2. Mandehana tanteraho
    Ny fanompoanao
    Io no baiko amin’izao fotoana izao
    Raisonao ho faneva amin’ny asa atao
    Fa ny Tompo efa miandry
    handray anao




·