Tantely

Lalatiana

Tantely


Ndreo fa miely vao maraina ny tantely
Tsy malaina amin’ny asa izay atao.
Azo heverina avy hatrany
fa manana antoka ny ho aviny
sy ny an’ny mpianakaviny.
sy ny an’ny mpianakaviny.
Hamamiana tsy miova no avelany ho lova


Ndreo fa miely vao maraina ny tantely
Tsy malaina amin’ny asa izay atao.
Azo heverina avy hatrany
fa manana antoka ny ho aviny
sy ny an’ny mpianakaviny,
sy ny an’ny mpianakaviny.
Hamamiana tsy miova no avelany ho lova


Tsirom-bony no alaina
Ka angoniny vao maraina
Fa lazaiko anao tsy mihambatra
Sambatra raha samy sambatra
Ny mandika mba ho modely
Ny fiainan’irony tantely,
Ny fiainan’irony tantely.
Maty ka mamela mamy ao anatin’ny akany.


Tsirom-bony no alaina
Ka angoniny vao maraina
Fa lazaiko anao tsy mihambatra
Sambatra raha samy sambatra
Ny mandika mba ho modely
Ny fiainan’irony tantely,
Ny fiainan’irony tantely.
Maty ka mamela mamy ao anatin’ny akany.


·