Tantano re!

Tanora Masina Itaosy

Tantano re!


Ry Raiko mba henoy fa mitaraina ireto zanakao
Miangavy sy mitalaho Aminao henoy ny vavakay
Ity tany ity mba tahio
Fa ampy ho anay raha ny Fahasoavanao
Zarao fa tena mila izany
Afaho ireo mijaly, fafao ireo tomany


Ampianaro anay fa ny Tokana ialan’ny olana (Anaro fa)
Dia tsisy afa-tsy Ianao Jesosy (Tsisy afa-tsy Jesosy)
Ilay Kapiteny


Fiverenana :
Miangavy Anao, ela izay niafiana izay
Mba mitalaho Aminao tantano re! Fa mila Anao zahay
Miangavy Anao, ampy izay fijaliana izay
Mba mitalaho Aminao tantano re! Fa mila Anao zahay


Jesosy oh hatsaharo ireo adiady mampisaraka
Miangavy Anao aleo hitambatra ho iray izahay
Mba harotsay ny Fanahy Masina
Mba hampitony ireo izay entim-po
Mba ho fantany fa Ianao Tsitoha
No Tokana Filoha amin’ny fiainanay


Ampianaro anay fa ny Tokana ialan’ny olana (Anaro fa)
Dia tsisy afa-tsy Ianao Jesosy (Tsisy afa-tsy Jesosy)
Ilay Kapiteny


Fiverenana : Miangavy Anao …


·