TANTANO FA OSA

FANAFA

TANTANO FA OSA


Tsy misy mahasolo Anao, tantano izahay fa osa e!


1/Jeso oh inty aho mitady Anao,mitady Anao mba hiantsampazana
Ny halemeko anef misakana tsy hahitako ny salovan-tavanao
Zava-doza ny efitra najoroko, he izaho nasandratro ambony
Efitra avo tsy handrenesana ny antsonao izay feno fitiavana


Ref:
Vaka eh, vaka ny saiko, tsy misy mahasoa eto
Nitady nefa tsy nahita ka zary kivikivy sy ketraka e
Osa eh! Osa ny fanahy, tsy miankina Aminao Tompo
Tsy misy mahasolo Anao, tantano izahay, tariho eh!


2/Jeso oh ny fanantenako ve no namahanao ny olana rehetra
Sy fatorana izay nangeja ahy tsy hahitako ny fatra-pitiavanao
Izahay iray firenena izao, Oh mba jereo ka amboary ho tia Anao
Oh poteho izay mampisaraka manimba ny fo te hiantoraka Aminao


Ref : ………………….(2*)


Tsy misy mahasolo Anao, tohano omeo hery fa osa e!


·