Tantano
BITSIKA Mandroseza
Tantano
Raiko ô! Tsimbino aho
Tantano tsy hivily làlana
Harovy amin’ny fankam-panahy
Tsimbino tsy ho very an-dàlana
F’Ianao no ilay fahendrena
Mankahery ireo ory sy onena
Miandry anao izao tontolo izao
Mangetaheta famonjena avy aminao
Hiantsako ny Anaranao
Hobiako ny voninahitrao
Hifaliako ny fiavianao
Mahatoky anao izao rehetra izao
F’ambony ny voninahitrao
Tsy hita fetra ny haja anananao
Tsilovinao izao tontolo izao
Avotanao ireo miantso ny anaranao
Tantano hanara-dia Anao
Inty zanakao sady mpanomponao
Tsimbino ireto olonao
Tantano inty zanakao