Tanora milalao

Rebika

Tanora milalao



  1. Aok’izay ny amintsika sao mihitatra,
    Soavaly tsy ho folak’ianao
    Ny adalana efa vita,
    Avelao mba hipetraka ho tantara ho ahy


Raha mitohy mampanahy
Toa tsy matotra, volana maro lasa izay
Loza miantona, sampontsampona
Tsiron-kanina mahafanina, aoka ihany


Ref: Toa salama nefa toa marary,
Zay angamba no filazako azy
Fihetsika miampy vazivazy
Tahotra ny fefy nanasazy


Misy toetra raha ianao
Mitratrevatreva atsy sy ary e!
Raha izany no atao
Kapain-tsita fery anie ny aty!



  1. Ny hatsaran-tarehy manambaka
    Fa ny saina, goragora be mifanahaka
    Ny làlana aleha nefa malama
    ny anio vita ihany fa ny manaraka mandatsalatsa


Tsy izaho no miana-kendry
Fa isika e! Olona voahozona daholo
Raha anararao-paty aho toa tsy mety
vazivazy, manal’azy misy fetra ho’aho


Ref : Langalanganao mafandri-maso ahy
Izato angolangolanao toa tsara
Doladolanao mandany zara
Ngotingotinao nanadala ahy


Fa ny foko sy ny saiko
Fotsena teo ireo tambinao
Any an-kafa indray manipy sandry
F’izy mety ankamamy anao


·