TANORA MILA HERY

Ampifafi

TANORA MILA HERY


Zahay Tanoranao Ry Ray
Manjeny Foana Ety
Mivenjivenjy Re Tsy Maita Izay Aleha
Mirenireny Lava Ka Matetika Mivoana
Koa Mitalaho Aminao Mba Tolory Tànana




  1. Marina Fa Hoe
    Nomenao Saina Izahay
    Ahaizanay Mandinika Izay Ho Fiainanay
    Kanefa Indrisy Re
    Fa Zava-poana Izany
    Raha Toa Tsy Eo Lanao
    Ny Herinao No Iankinanay
    Ny Herinao No Iankinanay Mandrakizay Ry Ray




  2. Marina Fa Hoe
    Nomenao Ny Fo Sy Ny Fanahy
    Hanananay Safidy Amin’izay Ho Tiavinay
    Kanefa Indrisy Re Fa Zava-poana Izany
    Raha Toa Tsy Eo Ianao
    Ny Herinao No Iankinanay
    Ny Herinao No Iankinanay Mandrakizay Ry Ray




·