Tanora ô
KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena
Tanora ô
Tanora o mifohaza
Mijoroa ho vavolombelon’ ety
Hampody Indray ireo tsy mahalala
Hiverina ao ambalan’ ilay Ray
Aza manao hoe mbola zaza aho ka tsy havita izany
Na mbola be fangatak’ andro @ asa atao
Aza varimbariana sao tsy ahita izay atao
F’ Andriamanitra mitsinjo izay halehanao
Koa mandidy anao ny Tompo izao anio izao
Mandena dia torio ny vaovao mahafaly
( Tanora o ……….)
Ity tany ity feno ota
Koa mila anao mba hanazava azy
Hitarika ireo naman-dratsy
Mba ho afaka ireo fatorany
Aza manao hoe ……….
koa tanterao izany fa ho sambatra ianao
ka handray ny satro-boninahitro