Tano ny finoana ho ampinga
Antoko Mpihira MORIA
Tano ny finoana ho ampinga
1-He misaora ilay Andriananahary
Nanome antsika izao fotoana izao
Fa miseho etoana sy miharihary
Vokatry ny asa fitoriana natao
Fiv:Tano ny finoana ho ampinga
Manda sy hery no enti-mamindra
N’aiza n’aiza koa no aleha
Izy no atao rehareha
2-Efa an-taona maro izay lasa izay
Nitoriana ny teny soa mahafaly
Ny finoana no naha toy izao anay
Mbola tena mijoro hatrany hatrany
3-Mitsangana re ianao ry mino
Dina sy faneva aza mba adino
Na toy inona ady mifanesy
Ilay ampinga no mitondra antsika ho mpandresy