Tano mafy

KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena

Tano mafy


Jeso Mpanjaka Mahery Ianao
No mpamonjy sy mpanavotra anay
Miorena tsara aza miova ianao
Tano hifikiro fa Jesosy tsy mandao
Reseo raha ny ota halaviro izao
Tano mafy izay afafy ho anao


Ireo fahotana sy heloka be
Tompo o mba avelao, mba havelao
Izy irery ihany Jeso no ampinga anao
Sady mpanazava no mpitantana anao
Ka ny fo maloto ho sasany izao
Ka hanjary fo madio sy vaovao


Fanahy o mba tsilovy ny lalanay
fa osa sy reraka izahay
Raha ny faniriako tsy hisaraka aminao
na ho mandramaty Jeso tano hatrizao
vonona aho hisedra ka hanaraka anao
vonona aho, vonona aho Tompo o


·