Tanjona
None
Tanjona
Na ho faly ianao ka te hilalao
Na ory na misy zava-tsarotra
Aoka ho fantatrao hatramin’izao
Hiaraka amiko ka aza mba matahotra
Oh..! Tia sy ny tia no tafara-dia
Fitiavana madio sy marina
Ka hifanasoa n’inon’inona hanjo
Izay no tanjona ho tratrarina
Ho kolokoloiko ho safosafoiko
Ireo zana-tsika rahatrizay
Ka na fifaliana na ho fihafiana
Dia ho sambatra mandrakizay
Ireo fakam-panahy izay manantona ahy
Ka mitady hanapaka ny fatotra
Ho toheriko amin’ny heriko
Ka aza mba manahy foana na matahotra
Oh..! Tokan-trano soa hiadana tokoa
Hifanohana sy hifanarina
Ka tsy hifandao n’inon’inona hatao
Izay no tanjona ho tratrarina
Ho kolokoloiko ho safosafoiko
Ireo zana-tsika rahatrizay
Ka na fifaliana na ho fihafiana
Dia ho sambatra mandrakizay
Ireo fakam-panahy izay manantona ahy
Ka mitady hanapaka ny fatotra
Ho toheriko amin’ny heriko
Ka aza mba manahy foana na matahotra
Oh..! Tokan-trano soa hiadana tokoa
Hifanohana sy hifanarina
Ka tsy hifandao n’inon’inona atao
Izay no tanjona ho tratrarina
Izay no tanjona ho tratrarina (x3)