TANJONA

Baobab

TANJONA


Na ho faly ianao, na te hilalao
Na aoriana tojo zava-tsarotra
Aoka ho fantatrao hatramin’izao
Hiaraka amiko ka aza mba matahotra


Oh! Tokatrano soa hiadana tokoa
Hifanohana sy hifanarina
Ka hifanasoa n’inoninona hanjo
Izay no tanjona ho tratrarina


Ho kolokoloiko, ho safosafoiko
Ireo zanatsika rahatrizay
Ka na fifaliana, na ho fahoriana
Dia ho sambatra aho mandrakizay


Ireo fakampanahy izay manantona ahy
Ka mitady hanapaka ny fatotra
Ho toheriko amin’ny heriko
Aza mba manahy foana na matahotra


Oh! Tiana sy tia no tafaradia
Hifanohana sy hifanarina
Ka tsy hifandao n’inoninona atao
Izay no Tanjona ho tratrarina


·