Taniko manjelatra

Thina A.

Taniko manjelatra


Dia variana teny mantsy ireto masoko ankiroa
Nitazan-davitra ny vokatry ny tara-danitra tery
Nosokajiako hampanjopiaka irony vatosoa
‘Ngiran’ito taratr’andro avy ety ambony ety


Moa tsy vozon-jazavavy voaravaky ny rojo
Ilay tany notemerin-tafo jelatry ny masoandro
Toa tsy andriko aho ho tonga, vita dia ka ho tojo
Iry akany mamy loatra, tanindrazako io, kinanjo


Io ilay Madagasikara tany mamy tsy mba foy
Ilaozako androany fa rahampitso itomaniana
Iantsoako anao namako, asandrato sy koloy
Lovantsika, tanindrazana, fireneko tena tiana


Ao ny hareny marobe, mampirehitra hambom-po
Ireo karazam-boninkazo sy ireo hazo sarobidy
Ireo biby tsy fahita firy, volamena, vatosoa
Zahantany reharehan’ito firenena voafidy


Io ilay Madagasikara tany mamy tsy mba foy
Ilaozako androany fa rahampitso itomaniana
Iantsoako anao namako, asandrato sy koloy
Lovantsika, tanindrazana, fireneko tena tiana


·