Tanana haolo
Tarika Mivazo
Tanana haolo
Nakaiza nakaiza ny olo tety e
no tanàna haolo no sisa lalovana
rindrina kaoka no sisa mitsangana
mba mitahiry ny fahatsiarovana
Tantara sisa no hany tavela
mba mitahiry ny rakitry ny ela
ny taranaka teo dia lasa nisitaka
mihatery ny tany ka aleo miparitaka
Haolo tokoa ilay akany izay nitaiza ny fahazazana
vorona sisa mikalo, eo ambonin’ny rindrina efa tanàna haolo
fonenan’ ireo olo-manga itony toerana itony
Kanefa ankehitriny rakotra Antsoro sy Vero