Tanambokovoko

KT AMBATOVINAKY

Tanambokovoko



  1. Moa ve fantatrao mpanota ô,
    Fa Jesosy Tomponao e
    Nisolo voina namonjy anao
    Tao Gologota
    Ka ny dinitra nipatraka
    Ary koa ny Rà nilatsaka
    Jereo fa maty nisolo ny helokao


Ref: Nampijaliana sy noratraina anie Jeso
Noho ny fitiavany anao
Avy eo dia nolatsaina sy noesoina koa
Ka niaritra fakam-panahy
Dia nohomboina teo amin-tanambokovoko
Ho famelana ny helokao
Ny rany soa ‘zay nalatsaka sy nitete
Nanavotany ahy sy anao e!



  1. Na mpanota sy olo-meloka
    Na manao ny ratsy foana e!
    Tsy tiany ho very ianao satria sarobidy
    Nisotroany kapoaka ‘zay mafaitra sy mangidy
    Ny ainy aza nafoiny noho ianao


Ref: Nampijaliana sy noratraina anie Jeso
Noho ny fitiavany anao
Avy eo dia nolatsaina sy noesoina koa
Ka niaritra fakam-panahy
Dia nohomboina teo amin-tanambokovoko
Ho famelana ny helokao
Ny rany soa ‘zay nalatsaka sy nitete
Nanavotany ahy sy anao e!


ouuuu…..


Ny rany soa ‘zay nalatsaka sy nitete
Nanavotany ahy sy anao e!


Ny rany soa ‘zay nalatsaka sy nitete
Nanavotany ahy sy anao e!


·