Tanàna Tiako

Nanie

Tanàna Tiako


Lavitra anie aho, lavitra anao e
Tsy tazako intsony ilay endrikao fa manina anie aho e
Mitomany safotry ny alahelo o
Ry tanana tiana mamiko loatra a


Manina anie aho, manina anao e
Azoko sary ankizy maro2 milalao e
Ny hafanana anananao tolakandro e
Rivotra madio mandrotsy toa mikalo o


(‘zaho manembona e)
Any ianareo zandrikeliko e
Any ianareo havako isany e
(mba vangio e)
Ampio re ny neny e, tohano ry dada sao trotraka (*2)


Velona sento o, manin-te hody
Nefa tsy misy hevitra re mba hamonjy e
Ny hany atao mandefa saina lavitra any e
Manafatra ny masoandro tazany any e


Veloma ihany e, Izaho tsy afa mody e
Mbola mitady sady miady izay hahasoa e
Mitomany safotry ny alahelo o
Ry tanana tiana mamiko loatra a


Ref: …


Han an an anh….
(Sao trotraka a *4)


(Samy tsara e, samy tsara a
Veloma mampamangy e)


Manina2 ny aminay zaho zany e
Te hody aho te hody aho eee


·