TAMIN'NY HERIKO REHETRA

Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)

TAMIN’NY HERIKO REHETRA



  1. Andriamanitra o! Omeo ahy ny fo
    Fanahy vaovao
    Ka ny heriko rehetra entiko
    Mba hanompoko anao
    Fantatro fa misy adidy masina
    Izay napetrakao
    Indrindra fa ny fanasoavana
    Ny tranon’Andriamanitra


RÉF.
Tamin’ny heriko rehetra
Tamin’ny heriko rehetra
No namoriako izay hanaovana
Ny tranon’Andriamanitra



  1. Na ny saiko na ny aiko Tompo o!
    Dia entiko manompo
    Ny fananako, ny androko dia indro
    Atolotro izao
    Vonona aho hanao ireo adidy izay
    Napetrakao ry Tompo
    Hanasoa ity tempoly Masina
    Efa najoronao


·