Tamin'izany

None

Tamin’izany


Tsaroako fony aho mbola kely
Mikarenjy, mirenireny
Tsy niraharaha ny atao hoe ho avy
Nilalao fatratra, nanala azy


Miainga vao maraina
Tsy mody raha tsy mosarena
Vao Tonga dia mamoha vilany
Satria tsy nisy nohanina mihintsy tany


Tsara ery ny fiainako t@zany
Tsy misy eritreretina be
Mitaraina lava hoe noana aho
Satria reraky ny nandendeha


Ref: Soa ihany
nahay nifaly avanja
Ka nanararaotra tsara
Izany tantara izany
Angamba dia nenina
No niaina tsy misy fetra
Tsy toy ny ankizy rehetra
Indray mandeha ihany no mandalo amin’ireny


mbola tadidiko ihany ko
vacance, tsy misy mianatra avokoa
injay ilay tenin’i Neny
Isa-maraina tsy maintsy mianatra kely
Ny ankizy amin’izany
Efa miantso hivoka ny trano
Maika ny hanao bloque de som
Satria za mantsy ny tompom-baolina


Tsara ery ny fiainako tamin’izany
Tsy misy eritreretina be
Mitaraina lava hoe noana aho
Satria reraky ny nandendeha


Ref: Soa ihany
Nahay nifaly avanja
Ka nanararoatra tsara
Izany tantara izany
Ngamba dia nenina
No niaina tsy misy fetra
Tsy toy ankizy rehetra
Indray mandeha ihany mandalo amin’ireny


Ny tena mahatsikaika amin’izao
Rehefa mahatsiaro ireo fomba fanao
Dia mitsika irery
Manembona ny fiainana tamin’ny mbola kely


·