Talentako

The Voices Of God (VOG)

Talentako


Tsangambato ao am-po
Fa voatefinao mba ho soa
Ny talenta avy Aminao
Fiderana tsotr’izao


‘Reo karazam-pahasoavana
Natlotrao am-pitiavana
Natopakao tsy misy fetra
Ho an’ny olona rehetra


Ray ô misaotra Anao ‘zahay
Nomenao ny talentanao
Entinay mankalaza Anao
Ho mandrakizay
Izay rehetra hanananay
Ny fo, ny saina sy fanahy
Atolotray ho Anao, Ry Ray


‘Reo karazam-pahasoavana
Natlotrao am-pitiavana
Natopakao tsy misy fetra
Ho an’ny olona rehetra (rehetra)


Ray ô misaotra Anao ‘zahay
(Nomenao ny talentanao, Ray ô)
Entinay mankalaza Anao
(Ho mandrakizay)
Izay rehetra hanananay
Ny fo, ny saina sy fanahy
Atolotray ho Anao, Ry Ray


Hihira, hikalo ny Anaranao


Ankalaza ny Anaranao (Ry Ray)
Hoentinay, vavolombelon’ny hatsaranao
(Kanto loatra ny Anaranao ry Ray)


Hidera anao mandrakizay!


·