Talenta ho fanompoana
GAFLI
Talenta ho fanompoana
- Dera sy saotra no ventesinay
‘Zay mankasitraka ny asanao ry Ray
Fahasoavanao no naha toy izao
Ka nitahiry anay ilay fitiavanao
“Feon’ny lanitra”, fihiram-baovao
Ref.: Ny talenta maro efa nomena
Ampiasaina ireny mba hitombo
Hitoriana Filazantsara
Izay manana afaka hizara
Ho afa-mizara ny fiainana tsara
Ka dia mahereza, ndao mitsangana
- Misy tanjona, misy valisoa
Ho an’ireo miasa sy manompo amin’ny fo
Amim-pifaliana no hidiranao
Amin’ny fiainana natokany ho anao
Feo fiderana no hanakoako ao
Ref.: Ny talenta maro efa nomena …
- Fa ny hafatra ‘zay tianay atao
Aza alevina ireo talentanao
Dia tsy ho mpanompo ratsy malaina
Fa ho mazoto tsara hanome ny aina
Voafidiny ho iraka ilaina
Ref.: Ny talenta maro efa nomena …