TAKARIVA

Ludger Andrianjaka

TAKARIVA


Takariva mahamanina ny andro
Madiva dia hody ny masoandro
Efa dodona ny vorona mandalo
Malahelo anie aho ka aoka hikalokalo


Ho afaka ho aiza moa fa singany irery
Mba te hanidina aho kanefa tsy ampy hery
Raha mba nanana elatra aho dia namangy anao
Tsy hiandry fa izao ankehitriny izao


Indro fa nidify ilay masoandro teo
Miha-maloka ny andro sy ny tany
Kitan-kely mitsilopy eo ambony eo
Izay antenaiko fa ho tazana any ho any


Ny angatahiko hibaiko izany foko
Dia hihonona hangina tsy hitoloko
Mbola ho avy ny maraina hitondra ho ahy
Aina vaovao hamelombelona fanahy.


Ludger- Ossy


·