TAHIO NY TANINAY (Do)

Feon'ny fiderana

TAHIO NY TANINAY (Do)




  1. Tompo ô! Tahio ny taninay
    Fa mijaly sy mahantra ny tontolo
    Ka ny nosindrazanay ity ry Ray mba jereo
    Tompo ô! Tahio ny taninay




  2. Tompo ô ! Jereo ny nosinay
    Fa mandalo mifanesy ny fahotana
    Ka mba tantano sy vimbino ry mpanonjy be fitia
    Tompo ô ! Tahio ny nosinay




  3. Ray ô! Ireo mpitondra anay
    Omeo saina sy fanahy fo vaovao
    Ka mba andinika ny nosy ho reharehan-tany maro
    Ray malala ô! Tahio ny nosinay




Ref: Ireo harena sarobidy, izay nanananay taloha
Nosimbaina nopotehina tamin’ny hery ratsy koa
Nefa nosy manirery voadidin-drano be
Ny voahary manontolo malahelo misento koa
Ka mifona mitalaho aminao ry Ray tsitoha
Tompo ô ! Tahio ny taninay


·