TAHIO ITY NOSY ITY

Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)

TAHIO ITY NOSY ITY



  1. apetrako eo ampelatananao jesosy o
    ity madagasikara nosinay ity
    Andriamanitra avia jereo
    ireo olana izay miseo
    ka ‘reo malagasy
    aza avela hifandrafy
    (Apetrako aminao
    Jesosy o! Ty Nosy ity
    O! Avia mba jereo
    Ireo Malagasy ireo)


Ireo asa ratsy avy amin’ny devoly
Fanambakana sy ireo kokikoly
Ny herisetra sy fifandrafiana
Ny fahantrana sy ny tsy fisiana
Jesosy o! Jereo
Avia ka mba vonjeo
Ireo Malagasy maro mitoreo
Tahio ity Nosy ity
Hahay hifankatia
Ho sambatra mandrakizay Doria



  1. Mangataka aminao tokoa izahay ry Tompo ô
    Ireo mpitondra anay omeo fo matoky anao
    ka ireo malagasy maro
    Ray ô, mba hampahafantaro
    fa ianao tokoa no Andriamanitra Mpiaro
    (Fa Ianao ry Ray o!
    Andriamanitra mpiaro)


Fa sambatra tokoa ny firenena
Ny firenena manana an’i Jehovah
Ny fitahiana sy ny famonjena
Mirotsaka isan’andro tsy miova
Ry Malagasy o! Andeha hiara-dia
Miandry anao Jesosy be fitia
Fa ra izaho sy ny ankohonako,
Hanompo an’i Jehovah izahay


·