Tahaka ny diera

AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana

Tahaka ny diera


Tahaka ny diera mihanahana.
Maniry ny rano an’ony.
No anirian’ny fanahiko Anao.
Anao Andriamanitra รด!
Mangetaheta an’Andriamanitra.
Ny fanahiko izany.
Fa mangetaheta an’Andriamanitra.
Andriamanitra velona.


Rahoviana aho no ho tonga.
Ho tonga ka hiseho.
Eo anatrehan’Andriamanitra.
Ny ranomasoko.
No fiahiako andro aman’alina.
Amin’ny anaovany ahy mandrakariva hoe:
Aiza izay Andriamanitrao?


Nahoana no mitanondrika ianao.
Ry fanahiko ka mitoloko.
Nahoana ianao no mitanondrika.
Sy mitoloko ato anatiko.
Manantena an’Andriamanitra ianao.
Fa mbola hidera azy ihany aho.
Noho ny famonjeny ny tavany.


·