TAFATOETRA

AMPIZIFA

TAFATOETRA


Mamindrà fo amiko Andriamanitro ô!
Fa Ianao no hialofan’ny fanahiko
Dia ny ao amin’ny aloky ny helatrao
No hialoka aho raha misy loza


Mitaraina Aminao aho ry Avo indrindra ô!
Dia Aminao ry Ray Mpamonjy ahy
Mba diovy aho ho afa-pahotana Andriamanitray ô!
Sasao aho mba ho fotsy madio


Mamindrà fo amiko Andriamanitro ô!
Araka ny haben’ny Fahasoavanao
Aza manary ahy hiala Aminao
Amorony fo madio Andriamanitra ô!


Mitaraina Aminao aho ry Avo indrindra ô!
Havaozy hiorim-paka ny fanahiko
Ka ho tafatoetra Aminao re ny foko Andriamanitray ô!
Ka ho tafatoetra, tafatoetra ny foko


Hihira aho sy hankalaza Anao
Hankalaza, hankalaza Anao
Hifoha maraina aho mba hidera Anao
Misandrata any ambony Ianao


Tafatoetra Aminao ny foko
Fa lehibe ny Famindramponao
Ary mihàtra amin’ny rahona ny Famindramponao Rayô!
Misandràta Ianao, any ambony Ianao


Tafatoetra Aminao ny foko
Fa lehibe ny Famindramponao
Ary mihàtra amin’ny rahona ny Famindramponao Rayô!
Misandràta Ianao, any ambony Ianao


Hihira aho sy hankalaza Anao
Hankalaza, hankalaza Anao
Hifoha maraina aho mba hidera Anao
Misandrata any ambony Ianao


Tafatoetra Aminao ny foko
Fa lehibe ny Famindramponao
Ary mihàtra amin’ny rahona ny Famindramponao Rayô!
Misandràta Ianao any ambony Ianao


Fa lehibe sy mihàtra amin’ny Lanitra ny Famindramponao


AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)


·