Tadiavo Izy
Ndriana Ramamonjy
Tadiavo Izy
Tadiavo anio ny Tompo, tadiavo anio dieny hita Izy
Antsoy anio ny Tompo, antsoy dieny mbola akaiky Izy
Aoka ianao hahafoy ireo ratsy fanao dieny izao
Dia miverena ianao an-tranon’ny Rainao
Fa Izy hamindra fo aminao
Ref :
Tena hamela
Ny helokao Izy
Ny fihevitro, ny fihevitrao tsy mba fiheviny
Tsy mamaly anao araka ny heloka vitanao
Fa mandrakizay no itiavany anao
Ny fo izay torotoro, mangorakoraka dia henoiny
Aza mandaha-teny, ekeo ny otanao hofafany
Aoka ianao hahafoy ireo ratsy fanao dieny izao
Dia miverena ianao an-tranon’ny Rainao
Fa Izy hamindra fo aminao
…Tadiavo Izy