Sylvie

Kamary

Sylvie


Demoiselle Sylvie
Mbola zaza in’ndry
Maikamaika ny ho aiza
Tsy aleo tonga taiza
Vao mba miana-mandeha
Toa efa dodona ery
Hitsapatsapa fitia
Miala mandry tsy miera
Sao hono tsy avela
Ka ho sorisory eo


Mitondra fakam-panahy
Ho an’ireo zazalahy
Izay mety ho revo ka sahy
Izay vao tena mafaitra
Fa ilay ngidy tsy laitra
No voatelin’i Ndry
Diso paika satria
Nandamoka ilay dia


Rehefa taty aoriana

Tody soa izay niriana
Forongon-datsam-pijaly
Sy toloko tomany
No mba nentiny avy any

Toa mandatsa avokoa
Ireo zava-bita taloha
Ny nenina tsy ao aloha
Fa avy ao aoriana miamboho
Handatsalatsa izay voa


Inay any aho fony kely

Nihaino ny anatr’i neny
Izay nandrara ahy teny
Fa rano latsaka an-tany
Tsy hay ho raofin’izany
Fa ny mangina no tsara
Aoka izay ho tantara
Izay angaha no efa anjara

SolInvictus110


·