Solon'i Kristy izahay

GAFLI

Solon’i Kristy izahay



  1. Deraina Andriamanitra
    Izy Ray Zanaka Fanahy
    Fa fahasoavany no momba sy nitahy
    Na kely hery mpanompo tsy mahasoa
    Dia velona mijoro
    Nisitraka famindrampo


Ref: Iraka solon’i Kristy izahay
Miantso sady miangavy indray
Mihavàna amin’ny Tompo
Raiso ny famonjena
Aza mba mangatak’andro f’izao
Anio manolora tena




  1. Fitiavana mandrakizay
    Ny fitiavan’i Jesoa
    Natolony ny ainy mba hitondra soa
    Baiko nomeny ny hanao mpianatra
    Ny firenen-drehetra
    Ho mpino sy filamatra




  2. Fa mila aina vaovao
    Ny asa maro ‘zay hatao
    Mila firaisan-tsaina fanahy sy fo
    Isika maro nefa Iray ny Loha
    Hitory n’aiza n’aiza
    Fa tena fiainana Jesoa




·