Solofo sy i Lesabotsy

Lova Mamisoa

Solofo sy i Lesabotsy


Rehefa velona ny lakolosy fianarana
Maika ery i Solofo handeha hianinkazo
Hijery ireto ankizy maro milalahatra ho any andakilasy


Bridge:
Indray andro anefa izy nisy nahita teny ambony hazo
Tovolahy mpianatra gaga sy talanjona nahita azy


Refrain:
Aveo izy roalahy lasa nifandray, lasa mpinamana tsy nisaraka
Tsy nifankafoy toy ny mpirahalahy, i Solofo sy i Lesabotsy


Solofo dia zaza tokana nilaozandray sy Reny ka miady irery
Tsy nandia fianarana tsy mba mananamana fa irery


Bridge:
Izy tsy mahalala penina, tsy mahay taratasy tsy nianarany
Fa mamboly voankazo, manjono trondro sy mangady no fiainany


Refrain:
Fa non’ny tafaray izy roalahy lasa mpinamana tsy nisaraka
Tsy nifankafoy toy ny mpirahalahy i Solofo sy i Lesabotsy


·