SOLIKA AFON'NY FITIA

NY ANTSA MIDERA (NAM)

SOLIKA AFON’NY FITIA




  1. Tena sarobidy loatra
    Ny hasinao ry Gasikara
    Fa meva kanto tafahoatra
    Ka dia manintona sy tsara
    Resy lahatra aho izao
    Ianao dia tokana aman-tany
    Ka ny fiandriananao
    Ho soa toaviko hatrany
    Andriamanitra Ray, aza ela Ianao
    Vangio ny taninay, midina ka anjakao
    Aza avela hitranga, ny fitiavan-tena
    Zay manao am-pihimamba,
    Ka mambotry firenena




  2. Ts’isy tany azo asolo
    Ny harenanao voajanahary
    Indrisy anefa fa bontolo
    No nentinao ka naharary
    Dia onena anao ny saiko
    Ry tanindrazana lalaina
    Ataoko sorona ny aiko
    Raha tia izany ka ilaina
    Andriamanitra Ray,…




  3. Tsy ho foana sanatria
    Miredareda tsy hay tohaina
    Ilay solika afon’ny fitia
    Ilay masoandro antenaina
    Tompo izay nahary anao
    No hampitraka sy hahatafita
    Ry Gasikara tiako Ianao
    Ny fitiavako tsy ritra
    Andriamanitra Ray,…




(A/C : Rahaingomahefa Pascal)
(Mpihira : NY ANTSA MIDERA)


·