Solafaka

Benja ANDRIANTAHINA

Solafaka


Voafingana, ts’isy nampiarina.
Solafaka teo amin’ny fiainana.
Nenjehina dia nesoina,
Avy eo naongana,
Tsy ho zana-piangonana
Hum, hum….
Rehefa potraka


Lavo i Kala, nilaozan-tsakaiza.
Nazera koa ireo olo-nitaiza.
Dia nasintaka, dia nahilika,
Natositosika tsy ho eo akaikinao Ry RAY.
Hum, hum….
Eny tsy ho mpandray.


Izay “tsy diso” hitora-bato ahy.
Mandatsa ny very ara-panahy.
Miteraka alahelo, hakiviana,
Nahatsiaro tena ho irery sy vasoka,
Nalaina baraka tsy mendrika ho havana.
Mandositra masoandro,
Menatra olona.
Koa ho aiza moa,
Oh, oh, ….
No tsy hamoy fo.


Lavo i Kala, nilaozan-tsakaiza.
Nazera koa ireo olo-nitaiza.
Dia nasintaka, dia nahilika,
Natositosika tsy ho eo akaikinao Ry RAY.
Hum, hum….
Eny tsy ho mpandray.


Ireo tsy diso….


·