SOKOLOMANJA
Ny any aminay
SOKOLOMANJA
Nialonana izy fa hoe mahitahita
Raha ianao no olon-tiany
Dia noratraina ianao hanadino izay vita
Sy ireo lasa fahiny
Tafita izy kinanjo nianjera
Raha mba fantany mantsy…
Fa ianao niaro tena ka lasa tsy niera
Noho ireo olon-dratsy
Ref: Sokolomanja o ! hotadiaviny ianao
Any am-paran’ny tany
Na ho taona maro aza
Ho lany amin’izany
Sokolomanja aza dia ampijaliana
Fa ianao no tiany
Aoka tsy ho lavinao
Izay mba faniriany
FEON-KIRA
Feno mpisompatra izao tany izao
Ka rava tsy fidiny
Ilay fanantenany mba ho eo anilanao
Moa tsy niova ho ngidiny
Dia nisikinany ny herin-tsainy
Tsy ho kivy hatrany
N’aiza n’aiza no misy anao sombin’ny ainy
Dia tsy ho amelany
ref: x2
Tonony sy feony : RAKOTONDRAIBE Bernard