SOAVINA
AFAS - Antsan'ny FinoanA Soavina
SOAVINA
Ianao, tanàna itoerako;
Nipoirako, nitaiza ny fahazazako.
Nampifaly ahy tamin’ny hatanorako;
Nahalala ny tanjoko sy fikasako.
Nanatrika ny tsiky, sy ny fahoriako;
Itokiako, hiara-dàlana amin’(ny) fiainako.
Ianao, tanànako lalaiko;
Tiako mba hitoetra, hiaina ny Fahazavana.
Lavitry ny haizina sy fahantrana.
Rehare(han)’ny taranaka, dimby sy fara.
Hiavaka amin’(ny) tany sy ny firenena;
Haneho ny Voninahitr’Andriamanitra.
Ref.
SOAVIN(A) ianao, SOAVIN(A) ianao.
Ilay tanàna feno ny Fahasoavana.
Andriamanitra ilay nahary anao,
Izy no hampisalotra anao ny Fahombiazana.