Soavaly
Ndriana Ramamonjy
Soavaly
Tsy ozona ny asa, miasa ihany oa
Fa kosa fitahiana eee
Nahoana no ankinina amin’ny vintana sy loka
Ny fomba fihariana eee
2x
Onena ny fo, maraina vao mifoha
Mahita anao milahatra
Miandry taratasy misy anarana soavaly
Soavaly tiana alahatra
2x
Tsy ozona ny asa, miasa ihany oa
Fa kosa fitahiana eee
Nahoana no ankinina amin’ny vintana sy loka
Ny fomba fihariana eee
2x
Dia nanantena ianao fa andahatra soavaly
Dia hoafa-jaly
Kinajo ianao indray no nasainy nilahatra
Vao maika ianao nijaly aaa
2x
Angah tsy fantatrao fa ny atsembohan’ny tava
No hinanana androany aaa
Ny antsembohan’ny tava-tsoavaly ny anao
Tsy mety anie izany aaa
2x
Tsy ozona ny asa, miasa ihany oa
Fa kosa fitahiana eee
Nahoana no ankinina amin’ny vintana sy loka
Ny fomba fihariana eee
2x