Soa ihany

Mireille

Soa ihany


Feno ditra, Tompo, ny fiainako taloha
Nilomanosako avokoa ireo zava-mora lò
Nisarika ahy, nambabo ahy
Ny herin’ny fakam-panahy
Ankehitriny soa ihany voaova aho


Efa be dia be ny diso tamin’ny làlako
Niniako ireny satria irery an-tany tsisy mpiteny
Tsisy mpanoro, hanorotoro ny tokony hatao
Ankehitriny soa ihany voaovanao


Soa ihany fa teo Ianao
Soa ihany fa nisy Anao
Soa ihany fa avotrao aho
Soa


Fitiavantena, fitaka, fiheremana
Fitokian-tsampy, avonavona, fialonana
Toetra manoto ny manodidina
Toetra tia mamono olona
Ankehitriny ssoa ihany voaovanao.


Soa ihany fa teo Ianao
Soa ihany fa nisy Anao
Soa ihany fa avotrao aho
Soa


Misaotra Tompo, soa ihany fa nijery Ianao
Ny indrafonao soa ihany fa natobakao
Mazava izao ny làlako ao
Mahatoky, tsy mampanahy
Satria Ianao
Soa ihany hitantana ahy


Soa ihany fa teo Ianao
Soa ihany fa nisy Anao
Soa ihany fa avotrao aho
Soa


·