SOA IHANY

Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro

SOA IHANY



  1. Soa ihany fa ao ilay Ray Tsitoha
    Mitsinjo ireo izay reraka ao am-po
    Ireo rehetra voton-dranomaso
    Sy izay azom-pahoriana


REF:
Ampaherezo izahay
Ry Tompo Rainay be indrafo
Fa toy ny voninkazo eny an-tsaha
Mihintsana ka ho lo




  1. Fa maro ireo tanora no mandeha
    Mizotra ao anaty aizim-be
    Ny hazavana izay nampitondrana
    Mitady ho fatin’ny filàna




  2. Todio anie ny manodidina
    Sy ny fanenjehan’ny mpitazana
    Fa tsy mba misy azo antenaina
    Maro koa no mitaraina




A/C: RAKOTONDRASOA Josoa Edmond
By Sandy RANDRIANAIVO


·