SOA IHANY

Telonohorefy Famonjena

SOA IHANY


1-Namely mafy loatra ahy re ry Ray
Ny asa ratsin’ireo fakam-panahy
Saiky babony tokoa e izany foko
Soa ihany Ianao Jesosy ô no tsaroako ka antsoiko


Ref: Ilay Anaranao feno hery sy mahagaga
Mampiaiky olom-bery
Vao voateny na tononona ao am-bava
Dia avy hatrany mampisava aizim-pito ho mazava


2-Raha mangirifiry aho indraindray
Noho ny tsora-kazo mivaivay
Savolaina tena kivy ny ao am-poko
Soa ihany Ianao Jesosy ô no tsaroako ka antsoiko


Ref: Ilay Anaranao feno hery sy mahagaga
………………………………………………………………..


3-Raha mifaly noho ny fitahiaNao ahy
Ravoravo ‘zay rehetra ao anatiko ao
Ranomasom-pifaliana no isoko
Soa ihany Ianao Jesosy ô no tsaroako ka antsoiko


Ref: Ilay Anaranao feno hery sy mahagaga
……………………………………………………………….


·