SOA IHANY

Dany Ranoa

SOA IHANY


Dô dia Eb


1-Ndraindray toa tssra ihany, ho’aho,
No itodihana ny lasana
Ahazoantsika mba hibanjina,
Ny ho avy ‘zay andrasana !


Ho saintsainintsika roa
‘reo zava-marobe tokoa
‘Zay niarahana nigoka
Na mangidy izay na soa !…


Isan’andininy:
Hoy aho, soa ihany nisy
Ireo adiady nifanaovana !
Hoy aho, soa ihany
Nosedrain’ny hevitra nampifanolana !
Hoy aho, soa ihany ho’aho
Fa mafy tsy voavaha ilay fatorana
Satria tao amintsika roa
Ny fandeferana nohon’ny fitiavana !


2-Iaraha-manaiky kosa fa
Toa nila tsy ho zakantsika, ho ho’aho,
Reo fahoriana sy ny tsy fisiana
Ary ny fankam-panahy !


Nampandry ilika tokoa
Fa tena nanahirana
Ny nikarohantsika roa
‘lay balisama nanasitrana !…


Dany RANOA 1983


·