SOA FIANATRA NY TENINAO

S.A.MI (Sekoly Alahady Mihira FJKM Ambatolampy Antehiroka Fitiavana)

SOA FIANATRA NY TENINAO


Izay mandinika ny Teny
No hahita soa tokoa
inona ary no omeny
fitahian’ny Ray Tsitoha


Ref:
Mamelona fanantenana
Ny Sekoly Alahadinay
Fianarana sy fahalalana
ny Tenimasinao ry Ray


Noho ireo fahalalana
Nianaranay tsy misy fetra
Mamelona fanantenana
Amin’ny ho avinay rehetra


Fanantenana tsy ho foana
Miaraka Aminao ry Ray
Jesoa zoky eo anoloana
Mpitari-dalana mahay


·