Sipa mainty kely
Ralanto
Sipa mainty kely
(x2) Mamomamo vao maraina indray ledala ô
Mamomamo vao maraina indray satria
Malahelo ny ankiziny izy hono ô
Dia ny toaka no bobohiny sotroina
Malahelo lasalasana vinany ô
Malahelohelo te-hitomany
Dia Katrikatry vao maraina indray ledala ô
Katrikatry vao maraina indray satria
Malahelo mafy mihitsy ny fony ô
Fa ilay sipa mainty kely tsy tiany intsony
Malahelo lasalasana vinany ô
Malahelohelo te-hitomany
Dia Katrikatry vao maraina indray ledala ô
Te hiantso mafy be hoe malala a
Malahelo mafy mihitsy ny fony ô
Fa ilay sipa mainty kely tsy tiany intsony
Malahelo lasalasana vinany ô
Malahelohelo te-hitomany
(x2) Dia falifaly vao maraina indray ledala ô
Falifaly vao maraina indray satria
Fa nisy tonga nandondona teo am-baravarany
Ka ilay sipa mainty kely no indro tazany
Dia falifaly vao maraina indray ledala ô
Falifaly ka adino ireo akama
(x2) Fa sorisory vao maraina indray ledala ô
sorisory vao maraina indray satria
Fa ilay sipa mainty kely dia tsy tiany
Hafa volon-koditra amin’ny fianakaviany
Dia sorisory vao maraina indray ledala ô
Sorisory nefa dia tsy tsy te-hahalala