Silam-panahy

Jen

Silam-panahy


Feno tsiky izany dia
Nahay nifaly indray satria
Novainao tanteraka aho


Toa manga ny tontolo
Izay jereko ianao daholo
Babonao tanteraka aho


Ref : fa naniry anao ny saiko
Dia ny foko tsy nandà
Raisiko sy andraindraiko
Ilay fitia nomenao ahy
Fa tsapako f’ianao ilay silam-panahy


Mamy kely anie ho’aho indry
Mamy kely ilay fitia
Jambanao tanteraka aho


Uhhmm, iriko ho doria
Izao sy ianao no mankafy
Isan’andro mihavao ilay fitia


Ref : × 2


Fa tsapako f’ianao × 2


Ref :


·