Sentom-poko
Tarika Hasina
Sentom-poko
SENTOM-POKO
Ny sentosentom-poko
Sy ny ratrako anaty
Avelao ireny hijanona ho ahy
F’aza ho entinao mankany
Sao dia hanimba, sy vao maika hampijaly
Izato fiainanao iriko ho faly
F’aza rarahinao akory ny ahy
Modio tsy jerena, ity foko onena
Angamba efa jambena toa tsy haharay tena
Iriko tsy handatsa na hamoha ny lasa
Avelao ny foko ho rotidrotika
Fa rehefa reraka izy hilofika,
Natokana izy angamba
Ho akaikin’ny fahatsiarovana
Mampisento sy mahatorovana
Ity foko fadiranovana,
Avelao aho ho amizao
Fa hataovy ny hasambatra anao
Fa raha ny amiko sy ny momba ahy rehetra
Aza atao manapoizina ny fiainanao
Modio tsy jerena
A/C: JOSE, HANITRA