SEDRA

AMFM

SEDRA


Raha ny hery hanananay
Tsy ampy hiatrehanay
‘Zato ady mafana
Mila hampitolefika
Nefa koa tsarovanay
Teninao ’lay hatrizay
Zanako sy asan’ny tanako
Aoka ho adidiko


Nefa Jeso Tompo
Tsy mitsahatra mitombo
Ny Sadra izay lalovanay
Mila hamono ny fanahy
Mafy sady sarotra,miezaka ihany ny miaritra
Fa mety tsy hovitanay
Raha tsy eo ianao mitantana


Raha toa miankina aminay
Tianay ny hitsahatra
‘Zato hafanana
Ho tsioka malefaka
Nefa koa tadidinay
Teny iray avy aminao
Tsy maintsy mandalo ady koa
Izay rehetra te ho soa


Nefa Jeso Tompo
Tsy mitsahatra mitombo
Ny Sadra izay lalovanay
Mila hamono ny fanahy
Mafy sady sarotra,miezaka ihany ny miaritra
Fa mety tsy hovitanay
Raha tsy eo ianao mitantana


·