Satria tiako ianao

None

Satria tiako ianao


Sarobidy ho ahy
Ity toky
Omeko anao ry tiana
Tena tsotra, mendrika
Ho tanako tsy ho rendrika
Teny mamy miventy hoe
Matokia, ry ilay tiako
Fa na ho vato na ho vy
Anao irery aho ho doria


Refrain:
Koa raha manina ahy ianao
Ka lasalasa ny fisainanao
Ireo teny mamiko hiainana
Teny roa izay fantatrao
Teny kely hoe
Tiako ianao


Tsy vola tsy arena
Tsy mba tombotsoa
No mamefy ilay fiarahan-tsika roa
Firifiry moa
Ny olana nanjo
Impiry koa ny adintsika roa
Izay tsy mety
Arenina avokoa
Satria ianao no efa tiako
Nofidiako
Samy niezaka nampitony fo
Isika roa efa samy tso-po


Refrain


Ireo mpanenjika
Antsika roa
Handrava ilay fitia
Efa najoro
Kivy sady niala maina
Isika roa efa natao
Mba hifaningotr’aina


Refrain


·