Satria Mino Aho (Salamo 27:13)
Tvbroadcasting
Satria Mino Aho (Salamo 27:13)
Enjehina aho fa tony ihany.
Feon’ny liona izany,
’Zay mitady hamiravira.
Ry foko, mifikira!
Jehovah manda miaro hatrany.
(FIVERENANA) Tsy hatahotra aho na maizim-pito aza izao,
Vao mainka aza aho hifikitra aminao.
Fa tsy jamba ny finoako, Mahita aho ato am-poko
Hoe ianao eo hanatanjaka ahy. Satria mino aho…
’Reo tia anao hatrizay
Mba voasedra tsirairay.
’Zao ’ndray ’zaho aloha no miady;
Toa hitako io sahady
’Lay valisoa homenao anay!
(FIVERENANA) Tsy hatahotra aho na maizim-pito aza izao,
Vao mainka aza aho hifikitra aminao.
Fa tsy jamba ny finoako. Mahita aho ato am-poko
Hoe ianao eo hanatanjaka ahy. Satria mino aho…
(TETEZANA) Jehovah moa no mijoro eo aloha,
Ka tsisy hampandositra ahy. N’inon-kidona,
Handresy aho fa manam-pinoana.
Mahafindra tendrombohitra aho!
- Efa ao aoriana kely ao ’Lay tany soa vaovao
Natokanao ho ahy. Ry foko, matanjaha
Fa tsy haharitra ela intsony izao!
(FIVERENANA) Tsy hatahotra aho na maizim-pito aza izao,
Vao mainka aza aho hifikitra aminao.
Fa tsy jamba ny finoako, Mahita aho ato am-poko
Hoe ianao eo hanatanjaka ahy. Satria mino aho…
Satria mino aho… (Jereo koa ny Heb. 11:1-40.)
(Fivoriambe 2021)